{key:D capot 1}
Sur la vidéo la clé est en MI (RE capot 2)
D#°7 et Eb°7 sont les mêmes accords !!
Intro :

Louanges 101 – Fihirana Chords Accompagnement Guitare
La musique au service de la louange
{key:D capot 1}
Sur la vidéo la clé est en MI (RE capot 2)
D#°7 et Eb°7 sont les mêmes accords !!
Intro :
{Capo: 3}
Azonao ny fandresena,
3. Resinao ny fahotana:
4. Ry Mpandresy fandozana!
2. Nafoiko ho anao
3. Izaho Tomponao
4. Ny vonjy lehibe
5. Jesosy Tompo ô!
6. Ny foko raisonao,
Clé original FA
{Capo: 3}
{Version sans Capo}
2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.
3. He! Koa ‘ty andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao.
4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.
5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po!
2. Mangoraka ery ny fo,
Sy ory ny fanahiko,
Raha mba tsaroako izao
Ny loza izay nanjo Anao.
3. Fadiranovana Hianao,
Nangotraka ny adinao;
Ny dinitrao nanjary ra
Noho ny fahoriana.
4. lzany no niaretanao
Noho ny fitiavanao,
Ka nentinao ny heloko
lzay tokony ho nentiko.
5. Namita fanekem-baovao
Ho famonjena Hianao,
Nasianao kase izay
Maharitra mandrakizay.
6. Misaotra Anao, ry Tompo ô!
Fa ravo ny fanahiko
Handray ny fanomezanao
Eo amin’ny latabatrao.
7. Ny teninao inoako,
Ka raisiko ho ao am-po:
Ny zava-tsoa atolotrao
Dia ranao sy ny tenanao.
8. Ry Jeso, amboarinao
Ny fonay ho fonenanao,
Ka Hianao ho tianay
Izao sy ho mandrakizay.
{Capo: 1}
2. Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny,
Jereo ny fitiavany
Tsy tambonao tononina.
3. Dia avy izahay izao,
Ry Tompo be fitia ô!
Miondrika eo imasonao
Midera ny Anaranao.
4. Isaorana mandrakizay
Hianao, Andriamanitray!
Ny haja be indrindra izao
Atolotray mpanomponao.
{Capo: 2}
Ny andro ivelomako
2. Ny asa izay natao,Jesoa,
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
Nefa na izany aza dia inoako koa
Fa ‘zay kely vitako hitera-boka-tsoa.
Indro fa havaoziko ry Jesoa sns…
3. Na ho lava na ho fohy
Ny androko ety
‘Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
No hanafy herim-pitokiana mandra-maty!
Indro fa havaoziko ry Jesoa sns…
{key: Eb / D capot 1}
2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria
3. Nefa, raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po
Clé DO
2. Ny talenta izay efa nomenao ahy
Hiderako Anao n’aiza misy ahy
Mba hamelon’aina, hampitony saina
Hampiray ny miaina
3. Hira tsotra ihany, nefa na dia izany
Ho Anao tokoa no hikaloako
Raiso re, ry Tompo,
F’io no porofom-pitiavako Anao
4; Hira avy ato am-poko, indro fa vetsoiko
Ho Anao ry Raiko izay antsoiko
Hira tena mamy, manambara hatrany
Fa tena tiako Ianao
O! iza, iza?
Fa rerak’aho e
O! manatona
Fa Izy ihany
Fa noreseny
Ka mba mifalia !
Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao Fa novonoina !
Novonoina Ianao
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay
Fa noresenao
Efa noresenao na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mifaly re !
Ka mifaly izahay
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anay !