010 – Ry Tomponay Tsitoha ô!

 

 

key: G capot 1

=9-spontané rakitra

 
G 
Ry Tompon’ny  
C 
ha
G 
re
D 
na 
 
 
G 
ô,
G 
Fanatitra 
 
an-
C 
tsi
G 
tra
D 
po
Em 
Atolotray 
 
 
C 
Anao 
 
i
Em 
zao 
 
;
Bm 
Mba 
 
 
Em 
rai
Am 
so 
 
 
G 
ka 
 
ta
D 
hio
G 
nao.
C 
Ame
G 
na.

1. Ry Tomponay Tsitoha ô!

Mpanao izao tontolo izao,
Ankalazainay Hianao
Fa lehibe ny herinao,

2. Ny hiran’ny anjelinao

Manerana ny lanitra,
Manehoeho fatratra
Ny hobin’ny voaavotra;

3. Fa masina, fa masina,

Fa masina i Jehovah!
Ka heniky ny lazanao
Ny tany sy ny lanitrao.

4. Ireo mpitory irakao

Mihoby eo anilanao,
Nahefa fanompoana,
Mihira ny fisaorana

5. Izao olonao rehetra izao

Dia mino sy manaiky Anao
Ho Ray Tsy miova sady to,
Mahery ny mpamindra fo.

6. Ny Zanakao nirahinao

Sy ny Fanahy Masinao
Isaoranay Anao, ry Ray,
Fa foto-pamonjena anay!

7. Ry Kristy ô, Mpanjakanay

Mitovy hery amin-dRay,
Ny fitiavanao anay
No nisoloanao anay.

8. Ny lozam-pahafatesana

Novanao ho fiainana,
Izany no hiainanay
Na eto na rahatrizay.

9. Ao an-kavanan-dRainao ao

No itoeranao izao,
Fa mbola hidina indray
Hitsena sy handray anay.

10. Ka faly naiditra

Ho mponina ao an-danitra
Izahay izay navotanao,
Hiombon-dova aminao.

11. Tario làlana izahay,

Vimbinonao ny dianay,
Ka isan-andro vaky izao
Hambaranay ny lazanao.

12. Vonjeonao, ry Tompo ô!

Vonoy ny ratsy ao am-po,
Ka hasoavy izahay
Ambara-pahafatinay.

13. Fa lehibe ny antranao,

Mahery koa Hianao,
Ka dia matoky izahay
Ry Tompo Zanaharinay.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.