010 – Ry Tomponay Tsitoha ô!
key: G capot 1
=9-spontané rakitra
1. Ry Tomponay Tsitoha ô!
2. Ny hiran’ny anjelinao
3. Fa masina, fa masina,
4. Ireo mpitory irakao
5. Izao olonao rehetra izao
6. Ny Zanakao nirahinao
7. Ry Kristy ô, Mpanjakanay
8. Ny lozam-pahafatesana
9. Ao an-kavanan-dRainao ao
10. Ka faly naiditra
11. Tario làlana izahay,
12. Vonjeonao, ry Tompo ô!
13. Fa lehibe ny antranao,
020 – Tsaroanay tokoa izao
Clé original FA
{Capo: 3}
{Version sans Capo}
2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.
3. He! Koa ‘ty andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao.
4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.
5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po!
091 – O! Fitiavan-dalina
2. Mangoraka ery ny fo,
Sy ory ny fanahiko,
Raha mba tsaroako izao
Ny loza izay nanjo Anao.
3. Fadiranovana Hianao,
Nangotraka ny adinao;
Ny dinitrao nanjary ra
Noho ny fahoriana.
4. lzany no niaretanao
Noho ny fitiavanao,
Ka nentinao ny heloko
lzay tokony ho nentiko.
5. Namita fanekem-baovao
Ho famonjena Hianao,
Nasianao kase izay
Maharitra mandrakizay.
6. Misaotra Anao, ry Tompo ô!
Fa ravo ny fanahiko
Handray ny fanomezanao
Eo amin’ny latabatrao.
7. Ny teninao inoako,
Ka raisiko ho ao am-po:
Ny zava-tsoa atolotrao
Dia ranao sy ny tenanao.
8. Ry Jeso, amboarinao
Ny fonay ho fonenanao,
Ka Hianao ho tianay
Izao sy ho mandrakizay.
007 – Misaora an’Andriamanitra
{Capo: 1}
2. Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny,
Jereo ny fitiavany
Tsy tambonao tononina.
3. Dia avy izahay izao,
Ry Tompo be fitia ô!
Miondrika eo imasonao
Midera ny Anaranao.
4. Isaorana mandrakizay
Hianao, Andriamanitray!
Ny haja be indrindra izao
Atolotray mpanomponao.
088 – ‘Lay ora tao Getsemane
{key:D – capot 3}
077 – Tonga indray re ny Noely
{key: G}
039 – Faingàna, ry Mpanjaka!
{key: E 4/4}
024 – Ny lanitra ao ambony ao
012 – Jehovah ô, derainay Hianao!(zafindraony)
{key: C}

